Mahajanga: Mandroso ny ady amin’ny kolikoly

  • vendredi, 16 août 2019 08:52
  • Sary nomena

Notontosaina tao amin’ny « Bloc Administratif », ny 09 aogositra 2019 teo, ny atrik’asa sy fihaonam-be ho an’ireo mpikambana amin’ny « Cellule anti-corruption » teto Mahajanga.

Nanamarika ny Prefen’i Mahajanga, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrik’asa ity, fa « efa mandroso ny ady amin’ny kolikoly eto Mahajanga ». Efa nanamafy ny fandraisany anjara feno amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Prefektioran’i Mahajanga tamin’ny alalan’ny famoahany ny « Arrêté préfectoral » mametraka ny tsy maintsy hifidianan’ireo Sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ny mpikambana ao amin’ny « Cellule anti-corruption »-n’izy ireo avy sy ny hametrahana « Cellule anti-corruption » iray eo amin’ny Prefektioran’i Mahajanga.

Ny BIANCO Mahajanga kosa dia nanamafy hatrany ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny « Cellule anti-corruption » sy ny tombontsoan’ny sehatr’asam-panjakana sy ny firenena iray manontolo amin’ny fandraisana an-tanana ny ady amin’ny kolikoly. Nanamafy ny Tale iraisam-paritra fa ny BIANCO dia hitondra hatrany ny tantsoroka teknika eo amin’ny ady min’ny kolikoly eny amin’ny sehatr’asam-panjakana sy ny « Cellules anti-corruption » eny anivon’izy ireny.

Ity atrik’asa ity ary dia nahafahana nametraka tsara ny andraikitry ny « Cellules anti-corruption » ka nametrahana avy hatrany ny drafitr’asa ho enti-manantanteraka izany, izay mifototra indrindra amin’ny fanentanana ny mpiasam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ary ny fikolokoloana ireo fepetra fisorohana ny kolikoly. Eo ihany koa ny fanaovana tamberin’andraikitra.

Nanararaotra io fotoana io koa ny Tambajotran’ny mpiantsehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny fitantanana ny harena voajanahary nampahafantatra ny asa iantsorohan’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.