Toamasina: Lasan’ireo mpanampy vavy tao an-trano ny vola 7 tapitrisa Ariary

  • dimanche, 18 août 2019 14:20
  • Sary: Polisy

Tonga nitaraina tao amin'ny Commissariat Mangarano – Toamasina ny fianakaviana iray ny 13 aogositra 2019, nilaza ny fahaverezan'ny vola 7 tapitrisa Ariary.

Nanao fikarohana avy hatrany ny Polisy, nisy ihany koa ny loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo nahatsapana ny fihetsik'ireto mpanampy roa vavy miasa ao amin’ilay fianakaviana nitaraina ho very vola.

Niaiky izy roa vavy fa nangalarin'izy ireo ny vola, ary nitantara ny fomba nakany ny vola. Napetrak'izy ireo tany amin'ny sipany ny vola, ary mbola nisy tratra tao ny ankamaroan'ireo vola ireo. Ny sasany tamin'ireo vola dia efa nividianana finday ho an'ireo akaiky azy.

Natolotra ny Fampanoavana izy ireo, ary voatana am-ponja vonjimaika.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.