Zandarimariam-pirenena: Bakalorea no mari-pahaizana takiana amin'ny fifaninanana hidirana ho zandary manomboka izao

  • dimanche, 18 août 2019 17:03
  • Sary nindramina

Nandritra ny lanonana famoahana ireo Zandary Mpiana-draharaha miisa 1195 avy ao amin'ny andiany faha-74 tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra, ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Vondron-tobim-pileovana Amoron'i Mania sy fankasitrahana ireo Zandary maherifo, no nanambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Jeneray Ravalomanana Richard, tamin’ny antso finday, fa mari-pahaizana bakalorea no takiana amin'ireo zatovo hifaninana amin'ny andiany faha-75 izay hatao tsy ho ela.

Hisy fandraisana Zandary vaovao miisa roanjato sy arivo (1200) ny amin’ity taona 2019 ity. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.