Toeram-pamonjana: Fonja maromaro no hatsangana manomboka amin’ity taona 2019 ity

  • dimanche, 18 août 2019 18:01

Misy amin’ireo toeram-pamonjana ireo no tsotra, toy ny hatsangana any Sambava sy Fianarantsoa, ary misy kosa ireo matevim-piambenana ho an’ireo nahavita heloka bevava mamoafady, hatsangana ao Imerintsiatosika (Antananarivo) sy any Ikelivondraka (Ihosy). Hohavaozina sy hitarina ny fonjan’i Tsiafahy sy ny any Moramanga.

Hisy, amin’ny taona 2020, ny fanamboarana fonja tsotra any Manjakandriana, Vohémar ary ao Antananarivo Avaradrano.

Hovatsiana fitaovam-piadiana vaovao ireo mpandraharahan’ny fonja ary hampiana ireo fiara fitondrana voafonja, mialohan’ny faran’ny taona 2019. Harahi-maso amin’ny alalan’ny «caméra de surveillance» ny fonjan’Antanimora, ny fonjan’i Toamasina, ary ny Fitsarana ambaratonga voalohany any amin’ireo toerana ireo.

Hampiasana solosaina ny fitantanana sy fanaraha-maso ireo fonja manomboka amin’ity taona ity ka hatramin’ny taona 2020. Io solosaina io dia mifampiankina sy mifandray any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy Fitsarana ambony. Izany no atao mba hampihena ny kolikoly any anivon’ireny fonja ireny.

Hisy amin’ity taona 2019 ity, ireo fanadinam-panjakana handraisana mpiandry fonja miisa dimampolo sy roanjato (250).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.