Razanamahasoa Christine: Nampahatsiahy fa nampanantenain'ny fanjakana ny hampandroso an’Ambatofinandrahana

  • lundi, 19 août 2019 15:52
  • Sary nomena

Tonga nisaotra ny Vahoaka nifidy azy sy ny rehetra amin’ireo Kaominina sivy mandrafitra ny Distrikan’Ambatofinandrahana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, sady solombavambahoaka voafidy taty Ambatofinandrahana, Razanamahasoa Christine, ny sabotsy 17 aogositra 2019. Natao tao Ampanaovampoara, kianja malalaka aty an-toerana ny lanonana.

Tonga nanotrona azy ny mpikambana avy amin'ny governemanta, solombavambahoaka avy amin'ny Distrika maro, indrindra fa ireo zanaky ny Faritra Amoron'i Mania.

Nohararaotin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ity fotoana ity nangatahany amin’ny fanjakana mba hijery akaiky ny olan'ny mponina, toy ny lalana, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fahasalamana, ny fambolena. Tokony hatao laharam-pahamehana hoy izy, satria efa nampanantenain'ny fanjakana ny hampandroso ity faritra ity.

Lanonam-bahoaka niaraka tamin'ny tarika Rossy no nanohizana ny fotoana, izay nofaranana tamin’ny fanapoahana afomanga nony hariva.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.