Polisim-pirenena: Mametraka ireo paik'ady hanataterahina ny asa

  • lundi, 19 août 2019 21:03
  • Sary nomena

Androany 19 aogositra 2019 no notontosaina tetsy amin’ny CCI Ivato ny lanonana fanokafana « Journée de concertation des grands responsables de la Police Nationale », izay fivoriana mandritra ny roa andro; natao hamolavolan’ireo lehibe tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Polisim-pirenena ireo paik’ady sy fomba fiasa vaovao entina hanatsarana ny fomba fiasa sy ahafahana manatanteraka ireo vina sy tanjona izay napetrak’Atoa Ministra ao anatin’ny « Contrat de performance » nifanaovany tamin’Atoa Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ary tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny filohan’ny Repoblika.

Tonga nanome voninahitra izany fihaonam-be arahina atrik’asa sy fikaonan-doha mandritra ny roa andro izany moa ny Praiministra lehiben’ny governemanta, Atoa Ntsay Christian.

Nandritra ireo lahateny nifanesy, dia notaterin’Atoa Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena manoloana ireo mpizaika rehetra ny vokatra izay azon’ny Polisim-pirenena tao anatin’ny enim-bolana voalohany, ary notsongainy tao anatin’izany ihany koa ireo olana sy sakana izay manasarotra ny fanatanterahana ny asa.

Andrimatoa Ministry ny filaminam-bahoaka kosa dia nanome ireo toromarika amin’ny tokony hanohizana ireo ezaka rehetra efa vita, ary nanome ihany koa ireo toromarika vaovao izay tokony ho hita taratra ao anatin’ny paik’ady manaraka ho volavolaina ao anatin’izany roa andro izany, ka notsipihiny manokana tamin’izany ny hanamafisana hatrany ireo paik’ady ho fanakakezana hatrany ny vahoaka, ny ady amin’ny asan-jiolahy, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta, ny fanamafisana ny fanajàna ny fitsipika anatiny, ny etika sy ny deontolojia, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fametrahana ny fomba fitantanana tompon’andraikitra (gouvernance responsable).

Raha nandray ny anjara fitenenany kosa Atoa Praiministra lehiben’ny governemanta dia naneho ny fahafaham-pony satria dia mifanojo tanteraka amin’ny vina izay napetrany ny ezaka izay tiana apetraka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.