CSP Alasora: Tratra ilay mpangalatra bateria

  • jeudi, 22 août 2019 20:02
  • Sary nomena

Ny 20 aogositra 2019 dia tovolahy iray 30 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP ALASORA teny Ankadindratombo, resaka halatra «batterie » anà fiara.

Anisan’ny mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra Ankadindratombo sy ny manodidina iny ny fahaverezana bateria mipetaka amina fiara toy izao. Amin’ny alina ireto olon-dratsy ireto no manao ny asa ratsiny, ary tsy mionona fotsiny amin’ny fangalarana ny bateria izy ireo fa mbola manao fanahy iniana ihany koa manimba ny kojakoja rehetra sy ny piesy izay sendra azy ireo ao, toy ny halatra miaro figafiana izany.

Nanatanteraka fanaraha-maso akaiky noho izany ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Alasora ho fisorohana sy hanatrarana ny mpanao ratsy. Vokany, ny 20 aogositra 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora alina dia lehilahy iray, 30 taona no tra-tehaka teo am-pakana bateria 100 AH mipetraka tamin’ny fiara. Noentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny Polisy nanaovana fanadihadiana.

Fantatra arak’izany fa ity tovolahy voasambotra ity no isan’ireo tompon’antoka amin’ny fangalarana bateria izay mampitaraina ny mponina eny Ankadindratombo eny.

Natolotra ny Fampanoavana ny 21 agositra 2019, ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.