Miss Tourisme Madagascar

  • mercredi, 18 septembre 2019 12:07
  • Sary Njaka

Nampafantarina omaly talata 17 septambra ireo 15 mirahavavy ho solontenan'i Madagasikara amin'ny Miss Tourisme.

Izany moa dia hifidianana ny ambasadaoron'ny nosy eo amin'ny lafin'ny fizahantany sy ny fiarovana ny tontolo iainana, koa rehefa lany ny iray amin'izy ireo dia manao an'ilay antsoina hoe "promotion" an'ireo toerana izay mbola tsy fantatra eto Madagasikara.

Marihina moa fa tamin'ny pejy facebook no nandefasana ny fifantenana.

Ity tanjona iray ity ihany koa dia hanampy ny fanjakana amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara, izay eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fizahantany.

Amin'ny maha andiany voalohany azy ity, dia hisy ny fampihofanana mikasika ny fizahantany amin'ny ankapobeny, izay iarahana amin'ny ministeran'ny fizahantany sy ireo oloravina.

Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia tamin'ireo mpiaramiombon'antoka.

Amin'ny 19 oktobra ho avy izao kosa ny fifantenana farany ho an'ny fifanintsanana izay atao ao amin'ny Carlton anosy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.