Tetezan’i Mangoky: 64,28 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, hovitaina anatin’ny 54 volana ny asa

  • mercredi, 18 septembre 2019 20:33

Kendrena ho vita any amin’ny volana jolay 2024 ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky amin’ny lalam-pirenena faha-9, eo amin’ny PK 199+700. Tafiditra amin’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 ny fanamboarana an’ity tetezana ity, amin’izay tsy mitsaka amin’ny baka intsony rehefa eo Bevoay.

64,28 tapitrisa dolara (241 miliara Ariary) ny vola hanatanterahana ny asa, izay famatsiam-bola avy amin’ny Tahiry Saodiana, BADEA, Tahiry Kowesianina, ny OFID (OPEC Fund for International Development) ary ny Fanjakana Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.