Mpanendaka misari-mamo: Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora

  • jeudi, 19 septembre 2019 13:43
  • Sary Polisy

Nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny 67Ha-Antananarivo, efa natolotra ny fitsaràna ary notanana am-ponja eny Antanimora ilay mpanendaka mpamily fiara, izay mody mamo hita tamin’ny tambazotra serasera.

Lehilahy iray hafa izay mpanendaka mody mamo toa azy ihany koa, no efa voasambotra teny amin’ny « Aigle Noir » Ambodin’Isotry, ary efa notanana am-ponja eny Antanimora taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny Fitsarana.

Lehilahy iray mpanendaka miaraka amin’ny antsy lava lela eny Vatobe 67Ha ihany koa no voasambotry ny Polisin’ny CSP7.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.