Fandriampahalemana: Hametrahana Zandary any amin’ireo faritra mena

  • jeudi, 19 septembre 2019 20:29

Voakasik’izany any Ranontsara Sud, Beravina, Ambovombe ary Andriamena. Efa miantomboka ny fanorenana ireo toerana hametrahana ny Zandary any amin’ireo faritra mena ireo, izay hiasan’ny Zandary miisa 100, ka manamboninahitra ny 25 amin’ireo, ary Zandary vao avy nivoaka ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ny 75.

Hisahana sy hitety ireo faritra rehetra manodidina ireo toerana hitobiany izy ireo, hamerina ny fandriampahalemana amin’ny laoniny.

Hahazo fiara vaventy iray sy fiara tsy mataho-dàlana roa isaky ny toby, ary moto folo avy izy ireo. Hisy ny toeram-ponenan’izy ireo izay hisy rano sy jiro ary hahafahany miaina tsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.