Ambanja: Valo volana tsy nandray karama, mitaraina ireo mpampianatra FRAM « subventionné »

  • dimanche, 20 octobre 2019 15:09

Mitaraina ireo mpampianatra FRAM « subventionné » mikambana amin’ny fikambanan’ny mpampianatra FRAM anatin’ny Distrikan’Ambanja noho ny tsy mbola nahazahoan’izy ireo tambinkarama ; efa-bolana ho an’ny sasany (1er bimestre sy 4e bimestre), valo volana ho an’ny hafa. 

Misy amin’izy ireo anefa no efa niasa ho an’ny fanjakana nandritra ny folo taona mahery teo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Namaky bantsilana ny kiantranoantrano amin’ny fanaovana « recrutement » eny anivon’ny ZAP (Zone d’Application Pédagogique) sasantsasany ireto mpampianatra FRAM ireto. Misy, hoy izy ireo, no misandoka ho efa ela nampianarana mba hahazoana toerana. Takian’ireto mpampianatra FRAM ireto ny mangarahara mba hifanaraka amin’ny fahelana (ancienneté) teo amin’ny sehatry ny fampianarana ny « recrutement ».

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.