Ambatondrazaka: Ramatoa iray mpatory an-tsena maty ho azy

  • lundi, 21 octobre 2019 19:29

Hitan'ny olona nangovitra ity ramatoa ity androany maraina. Nisy nanome firakotra azy, nihevitra fa nangatsiaka izy. Fotoana fohy taorian’izay dia tapitra ny ainy.

Manan-janaka iray, lahikely fito taona ilay ramatoa, any am-pigadrana eto Ambatondrazaka ny vadiny. Mangataka no ahitan’ny olona azy.

Vao andro vitsy lasa izay no nisy lehilahy iray 60 taona eo koa, namoy ny ainy teny amoron-dalana teto Ambatondrazaka. Samy manan-kavana eto, na ity vehivavy namoy ny ainy androany ity, na ilay rangahy, saingy mety samy manana ny manahirana azy, na eo aza ilay hoe : ny adalan’ny hafa ihomehezana fa ny an’ny tena tafian-damba.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.