Nosy-Be: Mpiasan’ny Jirama efa-dahy tratra nangalatra gazoala

  • mardi, 22 octobre 2019 17:40
  • Sary ZP

Gazoala natao hampihodinana ny milina ao amin’ny foibe famokarana herinaratra eto Nosy-Be no nangalarin’izy ireo, natao tao anaty jerikanina. Fito ny jerikanina efa feno, nisy valo hafa efa vonona hofenoina no tra-tehaka.

Mpiasa efa-dahy ao amin’ny foibe famokarana herinaratra no tratra tao ampiasana andro alina nanao ireo, nitsoaka ny mpiambina roa lahy ary tadiavina.

Anatin’ny famotorana ny Zandary, hamantarana raha efa tambazotra ireto mpangalatra gazoala an’ny Jirama ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.