Sambava: Olona telo sarona niaraka tamin’ny vola sandoka 10 tapitrisa Ariary

  • samedi, 26 octobre 2019 17:34
  • Sary Gasypatriote Sambava

Natolotra ny Fitsarana omaly zoma 25 oktobra 2019, ary tazomina am-ponja vonjimaika ao Antalaha ireo olona telo, izay voarohirohy ho tompon'antoka amin'ny fanamboarana vola sandoka ato amin'ny Faritra SAVA.

Nanao velam-pandrika ny Polisy taorian’ny fanomezam-baovao avy amin'ny tsara sitrapo ka tra-tehaka tao an-trano, tao Antanambao Soaline Fokontany Antaimby - Sambava, ny roa mianadahy, ary tany Antalaha ny iray mpiara-miasa amin’izy ireo.

Efa lasibatr’izy ireo ny tantsaha iray nivarotra lavanila tetsy amin'ny « parcage » Antanifotsy II, tapa-bolana lasa izay. Nifanaraka izy ireo fa iray tapitrisa Ariary ny iray kilao, kinanjo vola sandoka ny ankamaroan’ny vola voarain’ilay tantsaha rehefa namerina nanisa vola izy nony tonga tany an-tranony.

Mbola karohina ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.