« Petite Plage » - Mahajanga: Nomena hatramin’ny 30 oktobra ireo mpivarotra hiala

  • lundi, 28 octobre 2019 21:53
  • Sary nomena

Fianakaviana maro, manao antom-pivelomana amin’ny varotra eny amin’ny « Petite Plage » no nandefasan’ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga filazana voatery hiala noho ny fandaminana. Nomena hatramin’ny 30 oktobra 2019 izy ireo tsy hitoetra 25 metatra manoloana ny ranomasina.

Fanilihana no andraisan’ireo fianakaviana nivelona teo amin’ny « Petite Plage » izao fanapahan-kevitry ny fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga izao, satria fantatra fa tsy hisy toerana ho azon’izy ireo hivarotana aoriarian’ny 25 metatra satria efa toeram-ponenana misy trano miorina.

Ho maro noho izany, hoy izy ireo, no tsy an’asa noho ity fepetra ity, ary tsy trano maharitra ilay nahorina, no tsy nanembatsembana ireo mpilomano. Izahay aza, hoy hatrany izy ireo no manome fahafam-po amin'ny sakafo sy entana ilain'ireo tonga mitsidika ety an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.