Fifidianana kaominaly: Nisy fizaram-baovao teny amin’ny CENI Alarobia

  • mercredi, 30 octobre 2019 23:17

Nisy ny sehatra ifampidinihana nanasan'ny CENI ireo mpisehatra rehetra amin'ny fifidianana (antoko politika, fiarahamonim-pirenena, rafi-panjakana, mpampahalala vaovao), teny amin’ny foibe Alarobia Antananarivo androany, niresahana momba ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsainan’ny Tanàna.

Niompana tamin’ny fizaram-baovao momba ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra ary ny fikirakirana ny voka-pifidianana ity sehatra ifampidinihina ity, ary narahina fanontaniana arahim-baliny sy fandraisan'ny CENI ny fanamarihana avy amin'ireo mpisehatra nandray anjara.

Nisy ihany koa ny famelabelarana ny "Teny ierana hanompo vahoaka" (charte de bonne conduite des candidats aux élections communales et municipales), izay niarahan'ny komity iombonana namolavola, toy ny tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ivondronan'ny CENI, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, SAFIDY, Transparecy International Initiative Madagascar, ny Chaîne d'honnêteté.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.