Ambohibola RN 44: Fiara mpitatitra notafihin’ny jiolahy, voaroba ny mpandeha ary nisy naratra

  • samedi, 09 novembre 2019 19:40
  • Sary nindramina

Lasibatry ny mpanakan-dalana teo Ambohibola, tanàna anelanelan’i Morarano Gara sy Ambohimanarivo amin'ny lalam-pirenena faha-44, ny fiara mpitatitra olona iray, manao lava alina, niainga tao Amparafaravola ny zoma 8 novambra 2019 hiazo an'Antananarivo Renivohitra.

Nanao fanamiana toy ny an’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, sady nirongo basy sy zava-maranitra. Nampiasa vato sy hazo no nataon’izy ireo sakan-dalana, sady nanapoaka basy, mba hampijanona izay fiara mandalo.

Voaroba daholo ireo mpandeha tao anaty fiara. Lasan'ireo jiolahy ny entana sarobidy, toy ny firavaka sy vola. Nisy ireo mpandeha naratra noho ny kapoka sy daroka nahazo azy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.