Betroka: Lehilahy iray tratra nanaparitaka vola sandoka mitentina enina alina Ariary

  • vendredi, 15 novembre 2019 18:20
  • Sary Zandarimaria

Saron'ny Zandary avy ao amin'ny Tobim-paritra Betroka ny vola sandoka mitenina 60 000 Ariary miaraka amin'ny lehilahy iray nanamparitaka ireo vola. Lasibatra ny mpivarotra teto Betroka.

Natao dika mitovy tamin’ny « Photocopie » ireo vola sandoka. Mitovy avokoa ny laharan'ireo vola, ary mora fantatra avy hatrany fa vola tsy izy raha amin'ny atoandro. Karohina fatratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ity mpanaparitaka vola sandoka voasambotra ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.