Ambatovaventy-Antanifotsy: Nisy nandoro ny CEG

  • samedi, 07 décembre 2019 20:12

Nodoran’olon-tsy fantatra ny CEG ao amin’ny Fokontany Ambatovaventy, ZAP Andranofito Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra. Ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 6 desambra teo, tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nitranga ny loza.

Levon’ny afo tsy nisy noraisina ny trano sy ny fanaka toy ny dabilio raha ny tatitra netin’Atoa Rakotoarimanana Heriniaina, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinankaratra.

Tombanana ho noho ny lonilony politika ity fahamaizana ity raha ny angom-baovao satria isan’ny nifaninana ho kandida ho Ben’ny tanàna ny mpampianatra iray ao amin’ity sekoly ity ary mitarika amin’ny vokatra vonjimaika.

Manao antso avo amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fikaroham-baovao ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Any an-tranon’olona aloha hatreto no handraisana ireo mpianatra amin’io herinadro io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.