Trangam-piarahamonina: Vehivavy, bevohoka 3 volana maty nisy namono

  • samedi, 07 décembre 2019 20:23

Vehivavy iray, mbola tanora vao 22 taona, no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao an-tranony ny Alakamisy 5 desambra manodidina ny mitataovovonana tany ho any. Tsindrona vy maranitra nanandrify ny fony no nahafaty ilay vehivavy.

Tsy fantatra hatreto izay nahavanon-doza satria ilay vehivavy sy ny zanany kely vao 3 taona no tao an-tranony ka tsy nisy nahare izay zava-nitranga. Ny fianakavian'ilay vehivavy tonga hitady azy no ankona raha nahita azy efa nivalampatra teo am-pandriana raha ny nambaran'ny lehiben'ny Fokontany Ambohipeno, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, ary ireo no nampandre ny Fokonolona.

Nentina teny amin'ny hopitaly saingy efa tsy nisy fiala-nenina azo natao intsony.

Tsy nisy fahaverezana entana tao an-trano raha ny fahitana azy na dia mody nakorontana aza ny trano, hoy ny lehiben’ny Fokontany. Tsy voakasika ilay zazakely zanany.

Manambady, manan-janaka, ary mitondra vohoka efa ho 3 volana ity vehivavy nisy namono ity.

Iray tokontany amin'ny rafozany ny tranon'izy mivady kely saingy samy tany amin'ny asa fivelomany avy ny rehetra ka ilay vehivavy sy ny zanany ihany no tao an-trano io atoandro nisian'ny famonoana azy io. Efa eo ampelatanan'ny polisim-pirenena moa ny raharaha amin'izao fotoana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.