Vatovavy Fitovinany: Mitaky ny fanesorana ny Talem-paritry ny Serasera sy kolontsaina ny Mpiasan'ny haino aman-jerim-panjakana

  • mercredi, 11 décembre 2019 21:14
  • Sary nindramina

Mahatsiaro iharan’ny antsojay, « fampihorohoroana ny handroaka mpiasa ECD izay latsaky ny 30 isa sy fanararaotam-pahefana », ary toa zanak’ikalahafa « tsy misy mihaino » raha mba mitaraina amin’ny isan’ambaratonga. Vokany, mitokona ny Mpiasan'ny haino aman-jerim-panjakana Vatovavy Fitovinany, ireto farany izay mifanolana amin’ny Talem-paritry ny Serasera sy kolontsaina Vatovavy Fitovinany, « noho ny tsy fitovian-kevitra sy fomba fiasa ».

Nanapa-kevitra ny mpiasa fa « hatsahatsa avokoa ny asa » rehetra eto amin’ny foibem-paritry ny serasera sy kolontsaina Vatovavy Fitovinany. « Misy ny « service minimum » ka ny fampitana mivantana ny fandaharana alefan’ny RNM sy TVM foibe no mandeha aty an-toerana mandram-pilaminan'ny toe-draharaha », hoy ny fanambaran’ny mpiasa.

Nambaran'ireto mpiasa ireto fa « mitaky ny fanesorana ity tompon'andraikitra ity ». « Mijaly izahay mpiasa », hoy ireto mpanao fitakiana ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.