Ivato: Natomboka ny fananganana « building mora »

  • samedi, 14 décembre 2019 14:41
  • Sary nomena

Notontosaina teny Ivato, Distrika Ambohidratrimo ny zoma 13 desambra 2019 ny fametrahana vatofotry ny asa fanorenana « building mora » na trano ahitana rihana efatra miisa 38. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Tanim-panjakana mirefy 14ha no hanorenana ireo fotodrafitrasa ireo ary haharitra iray taona sy tapany ny asa. Volan'ny fanjakana malagasy madiodio no hanatanterahana ireto tetikasa ireto, ary orinasa malagasy ihany koa no hampiandraiketina izany.

Natokana ho an’ireo olona manana fidiram-bola antonony na “classe moyenne” ireto andiana trano ireto, ka hisitraka izany na ny mpiasam-panjakana na ireo mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Hofaina amin’ny vidiny sahaza ny fidiram-bolan’ireo olona ireo, ary rehefa avy manofa izany ao anatin’ny 15 taona kosa dia hahazo tanteraka ny trano nipetrahany.

Angovo azo havaozina avokoa, toy ny « panneaux solaires », no hampiasaina amin’ireo trano ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.