Marolambo: Nilanja sorabaventy nitaky ny tambinkaramany ireo mpampianatra ENF

  • samedi, 14 décembre 2019 15:20
  • Sary Jinah Hercile

Nanao hetsika nilanja sorabaventy, naneho ny alahelony sy nitaraina teny amin’ny CISCO, omaly, ireo mpampianatra ENF manerana ny fari-piadidiam-pampianarana Marolambo, noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambikarama efa 10 volana ho an’ireo mampianatra amin’ny EPP, ary efa 24 volana ny an’ireo amin’ny « Préscolaire ».

Manao antso avo izy ireo mba hijerena akaiky ka hamahana haingana ny olan'izy ireo, satria « ny tsy tsinay tsy mba vatsy, ary ny kibo tsy mba lamosina » ; hifarana rahateo ity ny taona, mba te hanao fety toy ny fianakaviana malagasy rehetra izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.