Maharante Jean De Dieu: Lasibatry ny « sonia halatra » namoaham-bola tao amin’ny ARTEC

  • dimanche, 15 décembre 2019 19:10
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana lava ao amin’ny pejiny facebook i Maharante Jean De Dieu, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, mikasika ny vola 6 miliara Ariary tao amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication) iampangana azy taorian’ny fanadiadiana nataon’ny IGE (Inspection Générale de l'Etat).

« Gaga », aho hoy i Maharante satria « tsy mandalo teo imasoko ny atontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany ». « Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina ». Any amin’ny zanany any Paris, Frantsa ny tenany amin’izao fotoana izao, araka ny ambarany.

Nambarany fa faran’izay « tsotra ny famoaham-bola » FDTIC (Fonds pour le Développement des Technologies de l'Information et de la Communication avy ao amin’ny ARTEC satria « sonian’ny minisitra sy Tale jeneralin’ny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona na ohatrinona izany. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF (Titre d'Engagement Financier) ».

« Nohararaotin’ny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy mampandre ahy », hoy i Maharante Jean De Dieu. Nanondro Karana iray, mpandraharaha nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny fanamboarana « Centre d’Applications pour le Développement Numérique » eny Antanetibe Ivato izay « tsy mety natombony mihitsy noho ny antony tsy fantatra » sy ny « mpiray tsikombakomba aminy tao amin ny ministera » ho « nahavita izao heloka bevava izao » i Maharante.

Mino aho, hoy ity farany fa « 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannée no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany io ».

Ambaran’i Maharante fa « nitondra ny vola tsy toko tsy forohana nandositra any Dubai » io Karana mpandraharaha io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.