SAMVA: Haverina amin’ny CUA, nomena fiarabe mpitatitra fako miisa 35 sy daba-pako 175

  • dimanche, 15 décembre 2019 20:13
  • Sary nomena

Notoloran’ny fanjakana fiarabe mpitatitra fako miisa 35 sy daba-pako miisa 175 ny SAMVA (Service Autonome de l'Assainissement de la Ville d'Antananarivo). Natao ny sabotsy 14 desambra 2019, tetsy an-tokontanin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana manamarika izany.

Nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa santatry ny hamerenana ny SAMVA ho eo amin'ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo (CUA) izao, raha nesorina ny taona 2008.

Nohamafisiny koa fa « hanolotra 50 lavitrisa Ariary ho an'Iarivo ny fanjakana Foibe hanarenana ny tanàna ».

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.