Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: Navory teto Antsirabe ireo mpamokatra koba

  • lundi, 16 décembre 2019 20:50
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Notontosaina teto an-drenivohitr’i Vakinankaratra androany ny atrikasa momba ny fampanaraham-penitra ny famokarana koba ho an’ny zaza sy ny ankizy.

Faritra niisa dimy no nandray anjara tamin’izany dia i Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.

Tanjon’ny fihaonana raha ny nambaran’ny teo anivon’ny “Bureau des Normes à Madagascar”, dia ny fampahafantarana ny « fenitra nasionaly » amin’ireny famokarana koba etsy sy eroa ireny aloha, izay hita fa mahazo vahana tato ato, mba hifanaraka kokoa amin’ny fenitra tokony ho ara-pahasalamana.

Niatrika ity atrikasa ity ireo mpamokatra koba avy tamin’ireo faritra ireo, ary maro tamin’izy ireo no teo vao nahafatatra izany fenitra izany, ary ny sasany aza dia mbola tena famokarana toy ny asa-tanana no betsaka. Na izany aza dia efa nisy kosa ireo efa nanakaiky ny fenitra sy ny fenitra iraisam-pirenena aza ny sasany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.