Marojala-Lokoho: Voasambotra ary natolotra ny Fitsarana ireo efa-dahy namono olona

  • mercredi, 18 décembre 2019 19:41
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voasambotra ny alatsinainy 16 desambra teo ireto dahalo efa-dahy izay nanao fanafihana tao amin'ny Fokontany Andakoro, Kaominina Marojala, Distrikan’i Sambava, ka nahafatesana olona roa tsy manantsiny. Nisy olona roa hafa ihany koa naratra vokatr’izay fanafihana izay.

Nambaran'ny komandin’ny kaompanian’ny Zandarimarian’i Sambava, kapiteny Mahavorisoa Emilien, fa « atolotra ny Fitsarana ireto, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo namany »

55 taona no zokiny indrindra amin'ireto olon-dratsy ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.