Toamasina: Jiolahy telo mpangalatra taribin’ny Jirama voatifitry ny zandary

  • jeudi, 19 décembre 2019 20:25

Nanome baiko ny mpitandro ny filaminana ny Prefen’i Toamasina sy ny lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany  (TPI) Toamasina hanao ady amin’ireo mpangalatra taribin’ny Jirama, satria tao anatin'ny roa taona farany izao dia mirefy 37Km ny tariby no very.

Maty voatifitry ny Zandary omaly alarobia teny Tanandava ny telo tamin’izy ireo. Tafatsoaka ary karohina i Piso niaraka tamin'izy telo lahy na efa voatifitra koa aza. Namaly botana tamin’ny basy poleta vita gasy ireo jiolahy mpangalatra tariby tamin’io fotoana naha-voatifitra azy ireo io.

« Atao toy ny raharaha « kidnapping », fanolanana, famonoan'olona ny halatra taribian'ny Jirama manomboka izao, ka na mpangalatra na mpiray tsikombakomba na mpanelanelana na mpividy dia hosaziana avokoa raha misy ny antontan-taratasy », hoy ny lehiben’ny Fampanoavana TPI Toamasina.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.