Sakanavaka-Ankazoabo Sud: Adala nisy namono, tsy tao ny masony sy ny filahiany

  • vendredi, 20 décembre 2019 19:17

Nisy fatin-dehilahy hita tao Sakanavaka, tanàna iray ato an-drenivohitry ny distrika Ankazoabo Sud ny marainan'ny 19 desambra. Araka ny vaovao dia olona adala izy io.

Rehefa natao ny fitsirihana dia tsy tao intsony ny masony, tsy ao ny filahiany.

Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny Polisim-pirenena. Mikaroka ny nahavanon-doza ihany koa ny Zandary.

Efa misy olona ahihiana ary efa nosamborina. Isan'ireo valo efa natolotra ny Fitsarana nahiahiana tamin'ireo tranga vono olona teo aloha izy io, kanefa votsotra dia nosamborina indray.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.