Antsirabe: Manao tolo-tanana ny Kaominina ireo mpandraharaha manala ny fako

  • samedi, 21 décembre 2019 14:09
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Vokatry ny fako be miavosa eran’Antsirabe dia niantso tolo-tanana tamin’ny vahoaka sy ny tsara sitra-po ny filohan’ny Delegasiona manokan’Antsirabe. Isan’ny namaly izany antso izany ireo mpandraharaha eo anivon’ny fikambanana Bira Mijoro, niaraka tamin’ny fikambanana FFPRO tarihin’Atoa Rakotozafy Freddy sy Dr Antonio, ity farany izay kandida ho solombavambahoaka an’ny IRD.

Nambaran’ny Dr Antonio fa « tsy ny fananana seza akory vao miasa fa na tsy manana andraikitra aza ny tenany dia vonona hifanome tanana amin’ny tompon’andraikitra eto Antsirabe ho an’ny fampandrosoana ny tanàna ».

Efa ho herinadro mahery izay izy ireo no nanomboka nanala ny fakon’Antsirabe, niaraka tamin’ny Kaominina ary mbola hitohy izany. Tao amin’ny Fokontany Ambohimiandrisoa no nisantarana izany, nitohy teny Ambohimena ary dia teo atsimon’ny kolejy Masindahy Josefa ny nanaraka, ary hitohy izany raha ny nambaran’ny Dr Antonio satria « mbola miavosa ny fako », tsy afaka nanomboka tamin’ny nidiran’ny Ben’ny tànana am-ponja ka tsy nisy afaka namoaka vola ny teo anivon’ny Kaominina mba ahafahan’ny mpandraoka fako niasa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.