Mahajanga: Tovolahy iray sy mpamily Bajaj naratra sady voaendaka

  • vendredi, 27 décembre 2019 21:25
  • Sary nomena

Tovolahy iray avy nikorana no nenjehan’ny mpanendaka teo Mahajanga Be ny alin’ny krismasy hifoha ny alakamisy 26 desambra. Nanezaka nitsoaka ka nanantona Bajaj sendra azy ilay tovolahy, nefa tsy namelan’ireo mpanendaka. Voakapakapa tamin’ny antsibe ny lohany ka naratra mafy, ary lasan’ireo mpanendaka ny finday tany aminy. Niharan’ny herisetra ihany koa ilay mpitondra Bajaj ka sady naratra mafy no voaroba avokoa ny vola tany aminy.

Samy tsaboina ao amin’ny hopitaly izy roa maratra ireo.

Nandeha avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy rehefa nahazo fampilazana ny mpitandro ny filaminana, ka nisy roalahy voasambotra, ary mbola nahitana antsibe mihoson-dra teny amin’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.