Dg Jirama Vonjy Andriamanga : Ho vita androany sy rahampitso ny fanarenana pylônes

  • dimanche, 05 janvier 2020 16:34

Hatramin'ny alina no efa am-perinasa manolo ilay "pylône" lehibe 138.000V nianjera eny Behintsy ny JIRAMA izay vinavinaina ho vita anio hariva. Marihina fa noho ny orana izay nitohy alina dia nananosarotra ny fampitaovana ka niteraka fahatarana teo amin'ny fanatanterahana ny asa fanarenana.

Ho vita anio folakandro ihany koa ny fanarenana ireo "pylônes" roa mitondra herinaratra 63.000V eny Alasora.

Andrin-jiro 15 tamin'ireo 40 nianjera no efa voaarina alina ihany ary mbola mitohy hatramin'ny rahampitso ny fanarenana izany.

Telo kosa sisa ny andrin-jiro mitondra herinaratra MT no tsy voaarina ka eny Ankadinandriana ny roa amin'zany ary eny Mantasoa ny iray.

Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny anio hariva ihany koa araka izany ny famatsiana herinaratra ho an'ireo tokantrano miisa 20.000 ao anatin'ireo toerana voakasiky ny fahatapahana nanomboka omaly teto Antananarivo (faritra Atsimo, Avaratra ary Avaratra Andrefana).

Raha misy taribin-jiro mitarika amin'ny tany na andrin-jiro mianjera dia entanina hatrany isika mpanjifa tsy hikitika izany fa hampandre avy hatrany ny JIRAMA.

Misaotra antsika mpanjifa amin'ny faharetana ary mamerina ny fialantsiny noho ny fikorontanan'ny famatsiana.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.