Mahajanga: Roso amin’ny fanadiovana taorian’ny rano be

  • dimanche, 05 janvier 2020 19:18
  • Sary nindramina

Nidina nijery ny zava-misy vokatry ny rano be nateraky ny ora-nikija nandritra ny efatra andro teto Mahajanga, ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ny sabotsy 04 janoary.

Nitsidika sy nampahery ireo traboina avy amin’ny Fokontany telo, izay mitoby ao amin’ny EPP Fiofio, Tsararano, ary Ambalavola, ary nitondra ny fanampiana ny delegasiona.

Tapaka ary fa hisy tantsoroka ho fanadiovana ny lakandrano rehetra, izay tsentsina ka mahatonga ny rano miandrona ary maha-dobo ireo faritra iva eto Mahajanga, ary hisorohana ny mety ho fahatondrahana amin’ny Fokontany hafa.

Roso tamin’ny asa tanamaro avy hatrany ireo herivelona eto an-toerana, nanadio sy nisava ireo tatatra fivarinan’ny rano. Nandray anjara na sivily na mpitandro ny filaminana na olom-boafidy na solontenam-panjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.