Rosia: Nametram-pialana ny Praiministra Dmitri Medvedev sy ny governemantany

  • jeudi, 16 janvier 2020 21:11
  • Sary nindramina

Taorian'ny fanambaran'i Vladimir Poutine, filoha rosianina, ny alarobia 15 janoary, ny fikasany hanavao ny Lalampanorenana rosianina, dia nametraka fialana ny Praiminisitra miaraka amin'ny governemantany.

Nisaotra ny praiminisitra ny filoha rosianina, ary voatendry avy hatrany ny ho solony, Mikhaïl Michoustine, lehiben'ny mpanangona hetra any Rosia. Neken'ny Parlemanta rosianina ny fanendrena azy.

Nambaran'i Vladimir Poutine, fa mila omena lanja kokoa ny Parlemanta, ohatra amin'ny fanendrena ny Praiminisitra, mila ampifandanjana ihany koa hoy izy ny fahefana mpanao lalàna, mpanatanteraka ary ny fitsarana, na dia hijanona manana lanja kokoa aza ny fitondran'ny filoham-pirenena.

Efa 20 taona moa no nitondra an'i Rosia ny filoha Vladimir Poutine, ka mitady ny fomba hipetrahana amin'ny manaraka izy raha ny fijerin'ireo mpandinika politika.

(Jereo Sary Tohina)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.