Morondava: Camaron 30kg sy makamba 50kg tratra saika hamidy

  • mardi, 21 janvier 2020 15:52
  • Sary Gasypatriote Morondava

Saron’ny mpiasa mpanara-maso ny jono eto Morondava, teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia eo Morondava Centre, androany atoandro teo ny camaron 30kg sy makamba 50kg efa tsy misy lohany raha nokasaina ho entina ao Antananarivo.

Araka ny fanazavan-dRandrenjarivelo Tsiriniaina, lehiben’ny sampandraharaham-paritry ny jono eto Menabe dia mbola anatin’ny fotoana tsy azo anjonoana, fitaterana ary fivarotana ireo hazandranomasina ireo izao fa voarara, ka nogiazana avy hatrany.

Hatolotra ny Sekolin’ny Marenina eto Morondava (SEMAMO) sy ny « Varavarana Tsara Endrika » mpitaiza sembana ireo entana nogiazana ireo, araka ny fanazavany hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.