Anahidrano-Antsohihy: Mpangalatr’omby maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

  • mardi, 21 janvier 2020 21:34

Omby iray no nisy naka an-tsokosoko tao Befanivana Kaominina Anahidrano, Distrika Antsohihy ny harivan’ny alatsinainy 20 janoary 2020, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny Fokonolona, sady nampandre ny brigadin’ny Zandary Anahidrano.

Nifankatratra ny mpanaradia sy ilay mpangalatra mbola teny ampandroahana ny omby. Nanohitra ilay jiolahy sady nanao tari-dositra raha hisambotra azy ny mpanaradia ka teo no raikitra ny sakoroka.

Tsy lasa lavitra anefa izy dia voasambotra. Niharan’ny daroka ary dia namoy ny ainy noho ny hamafin’ny fahavoazana nanjo azy. Tonga nanamarika ny zava-nisy ny Zandary sy ny dokoterana avy amin’ny CSB Anahidrano. Taorian’izay dia nanokatra fanadihadiana ny Zandary ao amin’ny brigady Anahidrano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.