Ifotaka – Amboasary Atsimo: Miaramila mamo nitifitra olona tsy salama saina

  • mercredi, 22 janvier 2020 21:32

Ny talata 21 janoary 2020 no niseho ity loza ity, tao an-tsenan’i Fenoaivo, Kaominina Ifotaka, Distrika Amboasary Atsimo. Miaramila kilasy faharoa, DAS avy ao Andamilamy, Ambovombe Androy namonjy tsena tao Fenoaivo no nahavanon-doza rehefa nentin’ny hamamoana.

Olona tsy salama saina no notifiriny, ka tapaka ny tongony havanana. Tsaboina ao amin'ny hopitaly Ambovombe ny maratra. Efa nalefa ao Ambovombe ihany koa ilay miaramila nahavanon-doza.

Nidina tao Ifotaka ny kolonely komandin’ny BOA N°03 androany nifampiresaka tamin'ny fianakavian'ny voatifitra nangataka hanao raharaham-pihavanana fa notsaboina aloha ny maratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.