Mandritsara: Raim-pianakaviana iray novonoin’ny dahalo, telo hafa naratra, iray takalonaina

  • mercredi, 22 janvier 2020 21:45

Notafihin’ny andian-dahalo mitam-basy tao Andranokazo II, Kaominina Ambilombe, Distrikan’i Mandritsara ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 22 janoary 2020. Tokantrano miisa enina no nitetezin’ireto dahalo ireto, norobaina narahina herisetra.

Vokany, raim-pianakaviana iray, 40 taona eo, no namoy ny ainy, telo hafa naratra. Mbola naka olona iray natao takalonaina ihany koa ireo dahalo. Tombanana eo amin’ny 8 tapitrisa Ariary eo ny entana lasan’izy ireo.

Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Loharano, vao nahazo fampandrenesana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.