Antenimieram-pirenena: Nodimandry i Rakotomalala Lucien, depiote voafidy tao Morombe

Antenimieram-pirenena: Nodimandry i Rakotomalala Lucien, depiote voafidy tao Morombe

Namoy ny ainy ny talata 7 jolay 2020 i Rakotomalala Lucien, solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo…

Brezila: Voan’ny Covid-19 ny filoha Jair Bolsonaro

Brezila: Voan’ny Covid-19 ny filoha Jair Bolsonaro

Nandritra ny resaka nataony tamin’ny fahitalavitra, androany talata 7 jolay, no nilazan’ny filoha breziliana Jair Bolsonaro fa mitondra ny tsimokaretina…

Ny Rado Rafalimanana: Nivoaka ny fonja nitazomana azy

Ny Rado Rafalimanana: Nivoaka ny fonja nitazomana azy

Nahazo fahafahana vonjimaika ary nivoaka androany ny fonjan’Antanimora nitazomana azy telo volana nanomboka ny 2 aprily 2020 i Ny Rado…

Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain: Nodimandry teny an-tranony androany atoandro

Jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain: Nodimandry teny an-tranony androany atoandro

Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy 2 jolay 2020 atoandro teny amin’ny trano fonenany eny Vontovorona Antananarivo Atsimondrano, ny jeneraly zandary misotro…

Dr Emmanuel Rakotovahiny: Nodimandry androany teo amin’ny faha 81 taonany

Dr Emmanuel Rakotovahiny: Nodimandry androany teo amin’ny faha 81 taonany

Nindaosin’ny fahafatesana ny hariva teo i Dr Emmanuel Rakotovahiny rehefa nolazoin’ny aretina fotoana lavalava ary notsaboina teny amin’ny klinika tsy…

Covid-19: Tratra ihany koa ny Réa HJRA

Covid-19: Tratra ihany koa ny Réa HJRA

Mitombo hatrany ireo service voakasiky ny Covid-19 ao amin'ny hopitaly CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Raha voatery nakatona mihitsy ny Toeram-pandidiana,…

Benaivo Narcisse: Voafidy ho solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI

Benaivo Narcisse: Voafidy ho solonten’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny CENI

Tontosa androany talata 30 jona 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fifidianana nataon’ireo Solombavambahoaka izay ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny…

Covid-19: Miitatra hatrany amin'ny Laboratoires HJRA

Covid-19: Miitatra hatrany amin'ny Laboratoires HJRA

Tamin'ny herinandro lasa teo dia nakatona mihitsy ny Bloc Operatoire n'ny Hopitaly HJRA noho ny valanaretina Covid-19 nahazo ireo mpiasa…

Asa fanaovan-gazety: Nodimandry androany teo amin’ny faha-54 taonany i Lôlot Ratsimba

Asa fanaovan-gazety: Nodimandry androany teo amin’ny faha-54 taonany i Lôlot Ratsimba

Maloka ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry ny marainan’ity alarobia 24 jona 2020 ity, i Ratsimba Nambinintsoa Solomon na Lôlot Ratsimba, anarana…

Antenimierandoholona: Namoy ny ainy ny Loholona Razafindratovo Ravololonirina Émilie

Antenimierandoholona: Namoy ny ainy ny Loholona Razafindratovo Ravololonirina Émilie

Nodimandry omaly ny Senatera Razafindratovo Ravololonirina Émilie. Voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana, avy amin’ny antoko Leader Fanilo izy. Iray amin’ireo…

Frontpage Slideshow | Copyright © 2006-2012 JoomlaWorks Ltd.
Frontpage Slideshow - компонент joomla Окна

No comment

lundi, 06 juillet 2020 15:35
No comment    
Photo fb
6 juillet: Journée Internationale du baiser.  

4 juillet: Fête nationale des États-Unis

samedi, 04 juillet 2020 08:44
Le Jour de l’Indépendance est la fête nationale des États-Unis commémorant la Déclaration d'indépendance du 4 juillet…
4 juillet: Journée internationale des coopératives.  

4 juillet: Journée mondiale du naturisme

samedi, 04 juillet 2020 08:40
4 juillet: Journée mondiale du naturisme.  
03 juillet: Journée mondiale sans sacs plastique.  

02 juillet: Journée mondiale des OVNI

jeudi, 02 juillet 2020 11:03
02 juillet: Journée mondiale des OVNI.  
1er juillet: Journée mondiale du bandeau blanc contre la pauvreté.  
1er juillet: Journée internationale des coopératives.  

1er juillet: Journée mondiale du reggae

mercredi, 01 juillet 2020 08:12
1er juillet: Journée mondiale du reggae  
27 juin: Journée Mondiale contre l'abandon des animaux de compagnie.  
26 juin: Journée Internationale des Nations Unies pour le soutien aux victimes de la torture.  
26 juin: Journée Internationale contre l'abus et le trafic illicite de drogues.  
Le vitiligo — aussi appelé leucodermie ou achromie — du latin vitium (« défaut, vice »), est…
Photo Net
23 juin: Journée mondiale pour la fonction publique.  
Loholona sy mpiara-miasa ao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely miisa 75 no natao fitiliana Covid-19 androany alarobia 8 jolay…
Sary nindramina
Tontosa ny talata 7 jolay 2020 tao ISINGO, Toliara-II, Faritra Atsimo Andrefana ny fanitrihana ny nofo mangatsiakan'i…
Sary nindramina
Nifarimbona ny Polisin’ny Kaomisaria Boriborintany fahatelo sy ny avy amin’ny Hery vonjy taitra na FIP tamin’ny fandravana…
Sary Polisim-pirenena
Namoaka fampahafantarana ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ho fampiharana ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra ny sabotsy…

Covid-19: Mihiboka Analamanga

lundi, 06 juillet 2020 15:00
Antananarivo Renivohitra an-tsary ny alatsinainy 06 jolay 2020. (Jereo Sary Tohiny)
Sary Gasypatriote
Tanterahina ao amin’ny LTP Maevatanana, manomboka androany 06 jolay 2020, ny fanadinana andrana Bakalôrea Teknika. Haharitra roa…
Sary: DRENETP Betsiboka
Nidonaka ny setroka narahina lelafo teo amin’ny trano misy ny biraon’ny Fananantany (Domaines) sy Fandrefesantany (Topographie) eto…
Sary nindramina
Lavon’ny Zandary ny mpimasy malaza fa mpamatsy ody gasy sy ody bala ireo dahalo, nampihorohoro tamin’iny Distrika…
Sary: ZP
Ho fantatra amin’ny alarobia 8 jolay ny fandaminana vaovao.  

lundi, 06 juillet 2020 13:28
Nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Lapan’ny fitsarana Anosy fa hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra indray ny fiverenana…

Covid-19: Mandray fepetra ny Faritra Menabe

dimanche, 05 juillet 2020 22:27
Manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika…
Sary: Faritra Menabe
Narahin’ny Zandary hatrany ampiaingana tao Sakaraha omaly ka hatrao amin’ny « Village Voara » Andohatapenaka nitondrana azy…
Sary: ZP
Nanao fanambaràna ampahibemaso, amin’ny anarany manokana sy amin’ny maha-lehiben’ny Governemanta azy, ny Praminisitra Ntsay Christian, noho ny…

Filankevitry ny Minisitra: Hitohy ho anio

dimanche, 05 juillet 2020 08:30
Hisy Filankevitry ny Minisitra anio alahady 5 jolay ho tohin’ny efa natao omaly. Hisy aorian’izany ny fandaharana…

Analamanga: Miato avokoa ny fampianarana

dimanche, 05 juillet 2020 08:28
Miato avokoa ny fampianarana rehetra eto Analamanga. Mikatona avokoa ny sekoly rehetra manerana ny faritra Analamanga. Anisany…

EDITORIAL

Aides détournées: une controverse ?

Dans un document, datant du mois de février 2020, de 45 pages intitulé « L'aide financière accaparée par les élites » dans lequel cet étude « prétend » qu’environ 5% de l’aide financière fournie par la Banque mondiale à 22 pays se retrouvent dans des paradis fiscaux.

Dans ces 22 pays les plus dépendants de l’assistance financière "l’aide financière est accaparée par les élites" et part vers des paradis fiscaux !

L’étude fait grand bruit car elle sort des services même de la Banque mondiale. Selon certains médias dont the Economist, sa publication a été retardée, "bloquée par des hauts responsables".

« Faux » rétorque l’institution, le retard est lié à une relecture et à l’apport d’autres éléments d’analyse. "Chaque publication fait l’objet d’un examen approfondi pour assurer sa qualité", précise la Banque mondiale dans un communiqué du 18 février 2020 où l’institution de Bretton Woods réaffirme ses objectifs de « soutenir de meilleurs résultats nationaux pour les pauvres et les vulnérables … Ainsi que… Nous soutenons pleinement le travail de notre département de recherche pour générer des recherches indépendantes, pertinentes et évaluées par des pairs, y compris sur le sujet important des flux financiers illicites.

En savoir plus...

Politique

  • Andry Rajoelina: « Salama tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus ary tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara »
    Sary nindramina

    Andry Rajoelina: « Salama tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus ary tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara »

    Namoaka taratasy fampahafantarana ny rehetra ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny talata 07 Jolay 2020 mandiso « ny vaovao tsy marina sy ny fanakorontanana ny saim-bahoaka » niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy sy ny tranokalam-pifandraisana. Manambara ny Fiadidiana ny Repoblika fa « salama tsara ary tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus velively ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina ». « Tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana ka hatramin’izao, fa miara-miatrika ny olana ary eo anilan’ny vahoaka Malagasy hatrany », hoy ny fampahafantarana an-taratasy naparitaka…
  • Kanye West: Nilaza ity mpihira rap ity fa ho kandida filoham-pirenena any Etazonia
    Sary nindramina

    Kanye West: Nilaza ity mpihira rap ity fa ho kandida filoham-pirenena any Etazonia

    Tamin’ny tambazotra sosialy no nanaovan’i Kanye West fanambarana, ny sabotsy 4 jolay, fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena any Etazonia ny tenany. Hifaninana amin'ny filoha amperinasa Donald Trump izany ity farany. Mpihira rap sady mpanefoefo, mpitantana trano famokarana ary vadin’ilay mpilalao sarimihetsika Kim Kardashian i Kanye West.  
  • Frantsa: Hitsangana rahampitso ny governemanta Jean Castex
    Sary nindramina

    Frantsa: Hitsangana rahampitso ny governemanta Jean Castex

    Hambara ny alatsinainy 6 jolay ireo minisitra handrafitra ny governemanta Jean Castex. Hisy mpikambana roapolo eo izy io raha ny fantatra hatreto. Mbola manohy ny fakan-kevitra amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny praiminisitra Jean Castex androany. Ny zoma 3 jolay teo no nanendrena an’i Jean Castex ho praiminisitra rehefa nametra-pialana i Edouad Philippe noho izy lany Ben'ny Tanàna Le Havre. (Jereo Sary Tohiny)

Economie

  • Taom-piotazana lavanila: Tsy miova ny 15 jolay hisokafany ho an’Analanjirofo

    Nangataka ireo Ben’ny tanàna maro mba haroso ny 8 jolay 2020 ny hisokafan’ny taom-piotazana lavanila amin’ny manamorona ny morontsiraka na « zone littorale » any Analanjirofo, tsy miova fa notazomina ny datin’ny 15 jolay 2020 araka ny voafaritra amin’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-9734 tamin’ny 20 may 2020 navoakan’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, niaraka tamin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.  
  • Faritra Atsinanana: Tetik’asa AGRICOOP
    Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Tetik’asa AGRICOOP

    Tafiditra ao anatin'ny tanjona ifantohan’ny faritra Atsinanana amin’ity taom-piasana 2020 ny sehatry ny fambolena. Ny tetik’asa AGRICOOP no anisan’ny lohalaharana amin’ny fameloman’aina ny seha-pamokarana BIOLOJIKA. Vina sy fanamby lehibe no apetraky ny faritra mirahavavy NORMANDIE (Frantsa) sy ATSINANANA, mametraka drafi-piarahamiasa anatin’ny tontolon’ny COPERATION DECENTRALISEE. Singa ihany ny AGRICOOP raha ny sehatry ny fampiroboroboana ny fambolena anatin’ity seha-piarahamiasan’ny faritra roa tonta no resahina.Ny tanjon’ny tetik’asa AGRICOOP, raha fintinina, dia ny fampivoarana ny famokarana, famarotana ary fanondranana ny voankazo (fruits) sy ny hanitra (épices) vokarina ato anatin’ny faritra Atsinanana, mba hahazo vahana…
  • Fanompoa: Mifanaretsaka ny olona ato amin’ny Doany Andriamisara Mahajanga
    Sary nindramina

    Fanompoa: Mifanaretsaka ny olona ato amin’ny Doany Andriamisara Mahajanga

    Raikitra ! Tanterahina androany alatsinainy 6 jolay 2020 ny Fanompoa Be ato amin’ny Doany Andriamisara efa-dahy manan-kasina Tsararano Ambony – Mahajanga. Mifanaretsaka ny olona, nanomboka tamin’ny sabotsy nanaovana tsimandrimandry, mitohy hatramin’ity anio ity, na teo aza ny fameperana natao ny tsy maintsy hanajana ireo fepetra amin’izao hamehanara ara-pahasalamana izao, hisorohana ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid-19. (Jereo Sary Tohiny)
  • Jeografia: Analamanga
    Sary nindramina

    Jeografia: Analamanga

    Faritany: Antananarivo Renivohitra: AntananarivoDistrika: Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Ankazobe, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Manjakandriana Isan'ny mponina: 3,618 millions (2018) - Densité 207 hab./km2Velaran-tany: 1 744 500 ha = 17 445 km2 (Loharano Wikipedia, sary nindramina)  
  • Pastora Dr Rakotonirina David, Filohan’ny FLM: Efa eto Antananarivo, miandry ny valin'ny fitiliana natao azy
    Sary nindramina

    Pastora Dr Rakotonirina David, Filohan’ny FLM: Efa eto Antananarivo, miandry ny valin'ny fitiliana natao azy

    Nitondra fanazavana ny CCO Menabe nanoloana ny resabe momba ny tsy fahasalaman'ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy, Pastora Dr Rakotonirina David, izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao amin'ny FLM Mahamanina Andakabe - Morondava omaly. « Marina fa nisy ny tsy fahasalamana niseho taminy, izay nampisavorovoro ny saim-bahoaka teto Morondava. Efa nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitondra fanjakana sy ny mpiasan'ny fahasalamana eto an-toerana. Efa mihatsara ny fahasalamany io maraina io, araka ny resaka nifanaovanay tamin'ny mpitsabo, ary nanambara ny mpitsabo fa harerahana diso tafahoatra no nahazo azy, ary efa nitodi-doha nihazo an'Antananarivo tamin'ny fiaramanidina io atoandro io ry zareo », hoy ny Mpandrindra ny ivon-toeram-pibaikoana Covid-19 Menabe.
  • Kitra - CAN 2019: Herintaona katroka androany, nanoratra tantara ny Barea an’i Madagasikara
    Tahirin-tsary nindramina

    Kitra - CAN 2019: Herintaona katroka androany, nanoratra tantara ny Barea an’i Madagasikara

    Ny 22 jona 2019 no niatrika ny lalao voalohany, nanamarika ny fandraisana anjara voalohany amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra ny Barea an’i Madagasikara. Ny «Syli national» an’i Guinée no nifandona voalohany tamin’ny Barea, tao amin’ny Vondrona B nisy azy, niaraka tamin’ny Burundi sy Nigéria. Nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta,…
  • Tennis: Hisy ny fifaninanana « Roland-Garros »

    Raikitra fa hisy ny fifaninanana tennis iraisam-pirenena « Roland-Garros » amin’ity taona ity. Hotanterahina ny 27 septambra ka hatramin’ny 11 oktobra 2020 ao Parisy renivohitr’i Frantsa izany amin’ity taona ity.  
  • Haiti: Nahatona amin’ny asany ny filohan’ny federasiona ny kitra, voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona
    Sary nindramina

    Haiti: Nahatona amin’ny asany ny filohan’ny federasiona ny kitra, voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona

    Nilatsaka ny sazin’ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra na FIFA mampiatona amin’ny asany an’i Yves Jean-Bart, 73 taona, filohan’ny federasiona ny kitra any Haiti, noho ity farany voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona, mpilalao baolina kitra. Ny gazety anglisy The Guardian no nitatitra ny fitarainan’ireo zazavavy tsy ampy taona niharan’ny fanolanana nataon’i Yves-Jean Bart. Nisy tamin’izy ireo no voatery…
  • Toamasina: Mitohy ny asa famendrahana fanafody
    Sary nomena

    Toamasina: Mitohy ny asa famendrahana fanafody

    Amin’ity herinandro ity, dia hafantoka amin’ny fanamafisana ny asa fanentanana ny asan’ny CRCO eto an-drenivohitra Betsimisaraka. Manampy an’izany, mitombo ny andraikitra ankinina amin’ny BMH na ny Bureau Municipal de l’Hygiène, izay misahana ny asa désinfection na famendrahana fanafody ireo toerana rehetra eto an-drenivohitry Toamasina. Ny fanafody VIROKIL moa no ampiasaina amin’izany asa famonoana ny Covid-19 izany. Makadiry ny andraikitry ny BMH nanomboka tamin’ny fiantombohan’ny hamehana ara-pahasalamana, satria ity Birao ity no miantoka ny fahombiazan’ny asa famendrahana. Ny CRCO Atsinanana dia mankasitraka ny asa ataon'izy ireo ary manampy amin'ny fanatontosana izany asa izany. Manentana ireo mponin'ny Toamasina ny CRCO Atsinanana, izay tarihan'ny Governora Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, mba hanaja ny fepetra fiarovana amin'ity valanaretina ity, ary handray am-pitiavana ireo mpiasan'ny…
  • Analamanga: 02 nosamborina, fiara 9 nampidirina ambalam-pamonjana
    Sary: ZP

    Analamanga: 02 nosamborina, fiara 9 nampidirina ambalam-pamonjana

    Tsy nandefitra tamin’ireo minia mandika ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny tsimok’aretina Covid-19 ny Zandarimaria. Ny tontolo andron’ny sabotsy 4 jolay izao, dia fiara miisa 9 no nampidirina ambalam-pamonjana na « fourrière » ka fiara fitateran’olona ny 2 amin’ireo, kamiao ny 1, firan’olontsotra ny 6 ary Bajaj ny 1. Fitondrana olona mihoatra ny tokony ho entiny, tsy fanaovan’ny mpandeha aron-tava, tsy fisiana « gel désinfectant », fitondrana olona an-tsokosoko ary tsy fisiana fiantohana « assurance » no santionany amin’ny fandikan-dalana nanasaziana azy ireo. Nisy ihany koa mpamily roa nosamborina noho ny fahitana fa mampidi-doza ny fomba nitondrany olona.
  • Ahiahy Covid-19: Vehivavy iray 28 taona maty tao anaty fiara hiazo an’i Toliara
    Tahirin-tsary fanehoana RN7

    Ahiahy Covid-19: Vehivavy iray 28 taona maty tao anaty fiara hiazo an’i Toliara

    Nahazo loharonom-baovao ny Zandary fa misy fiara mitondra zazavavy marary mampiahiahy lasa nianatsimo nanaraka ny lalam-pirenena faha-7 miazo an’i Toliara. Nanetsika ny olony nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny sakana « barrage sanitaire » ny Zandary. Tratra teo amin’ny sakana teo Sakaraha ilay fiara, ny zoma 3 jolay, saingy efa maty ilay vehivavy, 28 taona. Tonga nanao fizahana sy fanamarinana izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny foibem-pibaikoana Covid-19 na CCO Sakaraha. Araka ny toromarika avy tamin’ny CCO Toliara dia na miverina any Antananarivo ny razana na tsy maintsy alevina ao Sakaraha, ary ny olona rehetra tao anatin’io fiara io dia miverina any Antananarivo avokoa, fa tsy mahazo miditra an’i Toliara.

Sociale

  • Covid-19: Manandrana ny fampiasana alika hitily izay marary ny pompier de Paris
    Sary nindramina

    Covid-19: Manandrana ny fampiasana alika hitily izay marary ny pompier de Paris

    Resy lahatra ny rehetra fa arakaraky ny mahaingana ny fitiliana ireo mitondra ny tsimokaretina Covid-19 no ahafahana manoka-monina na mitsabo aingana ireny olona voa ireny. Mananosarotra anefa ny fanaovana fitiliana, ary izay voatily ka tsy mitondra aretina androany, mety rahampitso ihany dia efa misy indray, eny na ireo efa sitrana aza dia mety mbola hiverenany. Ny cancer na homamiadan'ny nono, prostate, colon dia manampy betsaka ny alika, ary nahitam-bokatra 90% ny fitiliana ataon'ny alika. Misy karazan'alika tokoa tena manana talenta mamantatra fofona maromaro, ary hainy ny manavaka izany. Efa mahazatra…
  • Centre Médical Covid-19: Lancement officiel des essais cliniques du troisième protocole
    Photos Fournies

    Centre Médical Covid-19: Lancement officiel des essais cliniques du troisième protocole

    Le Centre Médical Covid-19 (CMC) a officiellement ouvert ses portes au Village Voara Andohatapenaka ce 1 juillet 2020. Il s'agit d'un centre médical mis en place par l'État malagasy pour améliorer la prise en charge et le dépistage des cas liés au Covid-19. Le CMC accueillera désormais les personnes présentant des symptômes liés au coronavirus. Des dépistages massifs y seront effectués tous les jours. Accompagné de son épouse Mialy Rajoelina, du Premier ministre Ntsay Christian et de quelques membres du gouvernement lors de cette cérémonie, le Président Andry Rajoelina a…
  • Hery Frédéric Ranjeva: Isan’ireo Mpisolovava ikoizana any Frantsa
    Sary nindramina

    Hery Frédéric Ranjeva: Isan’ireo Mpisolovava ikoizana any Frantsa

    Isan-taona ny revio amerikanina momba ny fitsarana « The Best Lawyers » dia mandahatra sy manasokajy ireo Mpisolovava ao Frantsa araka ny fahaizany sy ny zava-bitany. Fifidianana ataon’ireo Mpisolovava no andaharana azy ireo. Isan’ireo Mpisolovava misongadina any Frantsa ho an’ny taona 2021 i Hery Frédéric Ranjeva, zanaky Pr Raymond Ranjeva ity farany ary isan’ireo Mpisolovava ao amin’ny « cabinet » Foley Hoag ao Frantsa manana traikefa amin’ny « Arbitrage International ».